1 Jehovah no Mpanjaka mitafy voninahitra Izy; Jehovah mitafy, eny, misikina hery Izy; Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika.

2 Ny seza fiandriananao nampitoerina hatramin'ny fahagola; Hatrizay hatrizay Hianao.

3 Manandra-peo ny riaka, Jehovah , Eny, manandra-peo ny riaka; Mampirohondrohona ny feony ny riaka.

4 Mihoatra noho ny rano sady be no mahery, Eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe, Ny voninahitr'i Jehovah any amin'ny avo.

5 Ny teni-vavolombelonao dia marina indrindra; Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, Jehovah .
